Sport

Hanomboka ny zoma faha 19 ny volana jolay ho avy izao ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 28 jolay ny lalaon’ny Nosy eto amin’ny ranomasimbe Indiana, andiany faha-10, atao atsy amin’ny nosy Maurice. Amin’ireo taranja 14 mandritra ny fifaninana, taranja 12 no ananan-tsika mpisolon-tena hiaro ny voninahim-pirenena.

Hanomboka anio alarobia ny dingana ampavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika. Amin’ny andro faharoa, izany hoe ny alakamisy ny Barean’i Madagasikara vao hiakatra kianja ary ny ekipam-pirenen’i Tunisie no hifanandrina aminy.

Andro lehibe tsy ho voafafa eo amin’ny tantaran’i Madagasikara fa tsy eo amin’ny tantaran’ny baolina kitra sy ny fanatanjahan-tena fotsiny ny 30 jona 2019. Zary fantatr’izao tontolo izao bebe kokoa i Madagasikara. Firenena sambany vao nandray anjara amina fifaninana goavana kanefa nandavo andrarezina iray, tafiakatra amin’ny dingan’ny 1/8n –dalana isika taorian’iny Fandresena 2 - 0 tamin’I Nigéria iny.

Nanamarika ny andron'ny alahady teo ihany koa ny fandraisan’ireo Malagasy monina eto an-toerana, ireo mpanohana, havan’ireo mpilalao azy ireo tao amin’ny hotely Hilton Alexandrie omaly ary indrindra ny fiarahabana nataon’ny Filohan’i Repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina, an’ireo mpilalao mahery fo ny BAREA DE MADAGASCAR.

Dibon-kafaliana ny malagasy rehetra taorian’ny fandresena voaohany teo amin’ny tantaran’ny CAN, azon’ny barea omaly raha nifanandrina tamin’i Burundi. Raha ny teto madagasikara, nivoaka teny an-dalambe ny rehetra naneho ny hafaliany taorian’ny lalao. Niavaka ihany koa ny fanohanan’ireo mpanohana tany ivelany.

Samy efa mahalala angamba isika fa hiatrika ny fiadiana ny tompon-dakan’ny afrika na ny CAN ny ekipam-pirenena malagasy. Fanatanjahan-tena ho hambopom-pirenena no tanjona ary efa azo heverina fa tanteraka izany ankehitriny. Tahaka ny ahoana kosa ary no fandraisan’ny vahoaka Malagasy ny fandraisana anjaran’ny BAREA DE MADAGASCAR amin’ny CAN izany sy ny lalao ho hatrehany?