Art et culture

Volana jona, volan’ny teny malagasy. Antony nokarakaran’ny blaogin’I Voniary ny hetsika “Teny Gasy 2.0” teny amin’ny IKM Antsahavola omaly izany. “Ny teny malagasy any amin’ny aterineto”: io no lohahevitra noraisina tamin’ity andiany voalohany ity.

Hanomboka rahampitso manoloana ny tsangambaton-dRalaimongo etsy Analakely ny Podium karakarain'ny avy eo anivon'ny fiadidiana ny repoblika entina hanamarihana ny fetim-pirenena. haharitra 5 andro ny hetsika ary mpanakanto maro no hifandimby hiseho sehatra eny mandritra izany.

Ora sisa no isaina, dia hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny Kermesin’ny foloalindahy malagasy, etsy Betongolo, eo amin’ny kianjaben’ny tafika. Haharitra 4 andro ny kermesy, izay amin’ny endriny vaovao, ahitana ireo karazan-dalao malaza maro entina hampiravo sy hampialavoly ny mpianakavy.

Hanomboka ny zoma ho avy izao ny « Podium goavam-be » etsy amin’ny Place RALAIMONGO Analakely anatin’ny fankalazana ny fiverenan’ny fahaleovantena. Isan’andro hanomboka amin’ny 5 ora sy sasany hariva ary tsy hitsahatra raha tsy amin’ny 7 ora sy sasany hariva ny « Grand Podium ».

Nanatanteraka fotoam-pivavahana iraisam-pinoana tao amin'ny fiangonana Anatirova, ny Filohan'ny Repoblika sy ny governemanta tarihan'ny Praiministra.

Ho fametrahana ny fikasana rehetra amin'ny fitantanana ny firenena eo am-pelatanan'Andriamanitra no anton'ny fotoam-pivavahana, araka ny tenin'ny filohan'ny Repoblika hoe "ny finoana tsy arahina asa dia zava-poana".

Les forces de l’ordre, l’administration et même le système judiciaire à Morondava se montrent impuissants pour réprimer les trafiquants de bois de palissandre au niveau local. La forêt de Menabe Antimena est à la merci des trafiquants qui agissent en toute impunité. Il s’agit d’une aire protégée d’une superficie de 12 500 ha située à 60 km au nord de la capitale de Menabe,